The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 13 › Bokin'i Nehemia 13:17

Bokin'i Nehemia 13:17

Dia nifandahatra tamin’ ireo manan-kaja amin’ ny Joda aho ka nanao taminy hoe: Inona izao zava-dratsy ataonareo izao, no dia mandoto ny andro Sabata ianareo?

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Then I contended with the nobles of Judah, and said unto them, What evil thing is this that ye do, and profane the sabbath day?

In Context

16Ary nisy olona avy any Tyro nitoetra tao, izay nitondra hazandrano sy varotra samy hafa ka nivarotra tamin’ ny taranak’ i Joda sy tany Jerosalema tamin’ ny Sabata;

18Tsy nanao toy izao va ny razanareo, ka dia nahatran’ Andriamanitsika amintsika sy amin’ ity tanàna ity izao loza rehetra izao? fa ianareo izao dia efa mampitombo ny fahatezerana mirehitra izay mihatra amin’ ny Isiraely amin’ ny andotoanareo ny Sabata.

Read all of Bokin'i Nehemia 13

Cross References

Nehemiah 5:7Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.

Nehemiah 13:25Dia nifandahatra taminy aho ka nanozona azy ary namely ny sasany sy nandrompotra ny volony, dia nampianiana azy tamin’ Andriamanitra hoe: Aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, ary aza maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy, na ho vadinareo.

Proverbs 28:4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin’ ny fanoherana azy.

Jeremiah 5:5Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.

Jeremiah 22:2Henoy ny tenin’ i Jehovah, ry mpanjakan’ ny Joda, izay mipetraka amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida, dia ianao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao izay miditra amin’ ireto vavahady ireto:

Micah 3:1Ary hoy izaho: Masìna ianareo, mihainoa, ry loholon’ i Jakoba, Sy ianareo mpanapaka ny taranak’ Isiraely: Tsy anjara-raharahanareo va ny hahalala ny rariny?

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 13:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 13:16Bokin'i Nehemia 13Bokin'i Nehemia 13:18 →