Bokin'i Nehemia 13:28
Ary vinanton’ i Sanbala Horonita ny anankiray amin’ ny zanak’ i Joiada, zanak’ i Eliasiba, mpisoronabe, ka dia noroahiko niala teo amiko izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
Nehemiah 2:10Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
Nehemiah 3:1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Nehemiah 12:10Ary Jesoa niteraka an’ i Joiakima; ary Joiakima niteraka an’ i Eliasiba; ary Eliasiba niteraka an’ i Joiada;
Nehemiah 13:4Ary talohan’ izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika sady havan’ i Tobia akaikiny,
Psalms 101:8Haringako isa-maraina ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany, Mba hofongorako ny mpanao ratsy rehetra tsy ho ao an-tanànan’ i Jehovah.
Proverbs 20:26Ny mpanjaka hendry mikororoka manaisotra ny ratsy fanahy Sady mitarika ny kodia fivelezana eo amboniny.