Bokin'i Nehemia 13:5
dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
Numbers 18:21Ary, indro, ny taranak’ i Levy efa nomeko ny fahafolon-karena rehetra amin’ ny Isiraely ho fananany noho ny fanompoana izay ataony, dia ny fanompoana ny amin’ ny trano-lay fihaonana.
2 Chronicles 34:11dia nomeny ho an’ ny mpandrafitra sy ry mpandatsa-bato hamidy vato voapaika sy hazo hatao sakamandimby sy lampihazo ho amin’ ny trano izay nosimban’ ny mpanjakan’ ny Joda.
Nehemiah 10:38ary mba hitondranay ho an’ ny mpisorona koa ny voalohan’ ny kobanay voafetafeta sy ny fanatitra asandratray sy ny voaloham-bokatry ny hazo rehetra sy ny ranom-boaloboka ary ny diloilo ho amin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika, ary ny ampahafolon’ ny vokatry ny taninay ho an’ ny Levita; fa ny Levita no mpandray ny fahafolon-karena eny an-tanàna rehetra akaikin’ ny fambolenay.