Bokin'i Nehemia 13:6
Fa tamin’ izany rehetra izany dia tsy mba tany Jerosalema aho: fa tamin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Babylona, no nahatongavako tany amin’ ny mpanjaka; fa nony taoriandriana kely dia niera tamin’ ny mpanjaka aho;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
Exodus 32:1Ary rehefa hitan’ ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin’ i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
Ezra 6:22ka dia nitandrina ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira hafitoana tamin’ ny fifaliana izy; fa Jehovah efa nampifaly azy ary efa nampiova ny fon’ ny mpanjakan’ i Asyria hamindra fo aminy ka hampahery ny tànany tamin’ ny nanaovany ny tranon’ Andriamanitra, dia Andriamanitry ny Isiraely.
Nehemiah 2:5dia vao niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
Nehemiah 5:14Ary koa, hatramin’ ny andro nanendrena ahy ho governora amin’ ny tany Joda, dia hatramin’ ny taona faharoa-polo ka hatramin’ ny taona faharoa amby telo-polo nanjakan’ i Artaksersesy, dia roa ambin’ ny folo taona izay, izaho sy ny raha! ahiko tsy mba nihinana izay anjara-fiveloman’ ny governora.