Bokin'i Nehemia 13:7
ary nankany Jerosalema aho ka nahita ny ratsy nataon’ i Eliasiba ho an’ i Tobia tamin’ ny nanamboarany efi-trano ho azy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 13
Cross References
Ezra 9:1Ary rehefa vita izany rehetra izany, dia nanatona ahy ny mpanapaka ka nanao hoe: Ny Isiraely sy ny mpisorona ary ny Levita dia tsy mbola miavaka amin’ ny olona tompon-tany, fa manao araka ny fahavetavetan’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Jebosita sy ny Amonita sy ny Moabita sy ny Egyptiana ary ny Amorita ihany izy.
Nehemiah 13:5dia efa nanamboatra efi-trano lehibe ho azy, dia ilay nitehirizana ny fanatitra hohanina fahiny mbamin’ ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanaka ary ny ampahafolon’ ny vary sy ny ranom-boaloboka sy ny diloilo, izay anjara voadidy ho an’ ny Levita sy ny mpihira ary ny mpiandry varavarana, ary ny fanatitra asandratra ho an’ ny mpisorona.
Matthew 21:12Ary Jesosy niditra teo an-kianjan’ ny tempolin’ Andriamanitra, dia nandroaka izay rehetra nivarotra sy nividy teo an-kianjan’ ny tempoly ka nanjera ny latabatry ny mpanakalo vola sy ny fipetrahan’ ny mpivarotra ny voromailala;
1 Corinthians 1:11Fa efa voalazan’ ny avy amin’ ny ankohonan’ i Kloa tamiko ny amin’ ny toetrareo, ry rahalahiko, fa misy fifampiandaniana eo aminareo.