Bokin'i Nehemia 2:10
Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Dia tonga tany Jerosalema aho ka nitoetra tany hateloana.
Cross References
Ezra 4:4Ary ny tompon-tany nanao izay hampiraviravy tanana ny Jiosy sy nandevilevy azy mba tsy hanao ny trano
Nehemiah 4:1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
Nehemiah 6:1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Nehemiah 13:4Ary talohan’ izany Eliasiba mpisorona, izay voatendry ho ao anatin’ ny efi-trano ao an-tranon’ Andriamanitsika sady havan’ i Tobia akaikiny,
Psalms 112:10Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian’ ny ratsy fanahy.
Proverbs 27:4Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan’ ny fahasaro-piaro?