Bokin'i Nehemia 2:14
Dia nankany amin’ ny vavahadin-doharano sy ny farihin’ ny mpanjaka koa aho; nefa tsy nisy lalana azon’ ilay biby nitaingenako naleha akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 18:17Ary ny mpanjakan’ i Asyria naniraka an’ i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin’ ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin’ i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan’ ny lakan-drano amin’ ny kamory ambony, teo an-dalambe mankamin’ ny sahan’ ny mpamotsy lamba.
2 Chronicles 32:30Ary notampenan’ io Hezekia io ny fivoahan’ ny rano ambony any Gihona ka nampandehaniny tany ambanin’ ny tany hidina mahitsy ho any andrefan’ ny Tanànan’ i Davida izany. Ary nambinina tamin’ ny asany rehetra Hezekia.
Nehemiah 3:16Ary manarakaraka io dia namboatra koa Nehemia, zanak’ i Azboka, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Beti-zora, hatramin’ ny teo amin’ ny tandrifin’ ireo fasan’ i Davida ka hatramin’ ny farihy izay natao ary hatramin’ ny tranon’ ny lehilahy mahery.