Bokin'i Nehemia 2:15
Dia niakatra teo amin’ ny lohasahan-driaka aho tamin’ ny alina ka nizaha ny manda, dia nitodika ka niditra tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, dia niverina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 15:23Ary ny olona rehetra dia nitomany nikaikaika, ary nita ny vahoaka rehetra; ny mpanjaka koa dia nita ny lohasahan-driaka Kidrona, ary ny vahoaka rehetra nandroso tamin’ ny lalana mankany an-efitra.
Nehemiah 3:13Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
John 18:1Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.