Bokin'i Nehemia 2:18
Dia nambarako azy ny tànan’ Andriamanitro izay nahasoa ahy, ary ny tenin’ ny mpanjaka koa izay nolazainy tamiko. Ary hoy izy: Eny, aoka ary isika hitsangana ka handrafitra azy. Koa dia nampahery ny tànany hanao izany soa izany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 11:10Ary izao no lohan’ ny lehilahy maherin’ i Davida izay nifikitra mafy taminy tamin’ ny fanjakany, mbamin’ ny Isiraely rehetra hampanjaka azy araka ny tenin’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely.
2 Chronicles 32:5Dia nohereziny namboariny avokoa izay rava tamin’ ny manda sady nasiany tilikambo teny amboniny sy manda hafa koa teo ivelany, dia namboatra an’ i Milo tao an-tanànan’ i Davida sady nanao lefona aman’ ampinga betsaka izy.
Nehemiah 2:8sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
Ephesians 6:10Farany, mahereza ao amin’ ny Tompo sy amin’ ny herin’ ny faherezany.