Bokin'i Nehemia 2:19
Fa nony ren’ i Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo ary Gasema Arabo izany, dia nanaraby sy nanevateva anay izy nanao hoe: Inona izao zavatra ataonareo izao? Hikomy amin’ ny mpanjaka angaha ianareo?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 4:15mba hizahana ny boky tantaran’ ny razanao; dia ho hitanao eo amin’ ny boky tantara, ka ho fantatrao fa tanàna fikomiana io tanàna io ka naha-fatiantoka ny mpanjaka sy ny tany maro, sady efa nisy fikomiana niseho tao hatrizay ela izay; koa izany no nandravana io tanàna io.
Nehemiah 4:1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy ny Arabo sy ny Amonita ary ny Asdodita fa voatsangana ny mandan’ i Jerosalema, ka efa ho voavoatra izay rava, dia nirehitra mafy ny fahatezerany.
Nehemiah 6:6izay nisy soratra hoe: Efa mahoraka any amin’ ny firenena maro izao teny izao, sady lazain’ i Gasema hoe: Hianao sy ny Jiosy dia mikasa hikomy, ka izany no anaovanao ny manda, ary araka izany teny izany dia mikasa ho mpanjakany, hono, ianao,
Job 30:1Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak’ ireo izay nolaviko tsy ho isan’ ny amboa miandry ny ondriko akory aza.
Psalms 79:4Tonga fandatsan’ ny namanay izahay, sady faneso sy fanakoran’ izay manodidina anay.
Psalms 80:7Ataonao ho fifandirana amin’ ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.