Bokin'i Nehemia 2:5
dia vao niteny tamin’ ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ka mahita fitia eto imasonao ny mpanomponao, dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin’ ny tanàna misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 14:22Dia niankohoka tamin’ ny tany Joaba ka nitsaoka sy nisaotra ny mpanjaka; ary hoy Joaba: Anio no ahafantaran’ ny mpanomponao fa efa mahita fitia eo imasonao aho, ry mpanjaka tompoko, amin’ ny nanaovan’ ny mpanjaka araka ny nangatahin’ ny mpanompony.
Esther 1:19Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjakana hivoaka avy eto amin’ ny mpanjaka ka hosoratana ao amin’ ny lalàn’ i Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; ary ny voninahitr’ i Vasty dia aoka homen’ ny mpanjaka ho an’ izay vehivavy hafa tsara noho izy.
Esther 7:3Dia namaly Estera, vadin’ ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
Proverbs 3:4Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan’ Andriamanitra sy ny olona ianao.