Bokin'i Nehemia 3:13
Ny vavahady mankamin’ ny lohasaha dia namboarin’ i Hanona sy ny mponina tany Zanoa; ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny arivo hakiho amin’ ny manda hatramin’ ny vavahadin-jezika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Joshua 15:34sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama
1 Chronicles 4:18Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
Nehemiah 2:13Dia nandeha alina aho ka nivoaka tamin’ ny vavahady mankany amin’ ny lohasaha, tandrifin’ ny loharanon’ ny dragona, sy tamin’ ny vavahadin-jezika ka nizaha ny mandan’ i Jerosalema izay efa rava sy ny vavahadiny izay efa levon’ ny afo.
Nehemiah 11:30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin’ ny lohasahan’ i Himona izy.