Bokin'i Nehemia 3:26
Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 9:2Ary ny mponina taloha tamin’ ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima.
2 Chronicles 33:14Ary rehefa afaka izany, dia nanao manda teo ivelan’ ny Tanànan’ i Davida izy, dia teo andrefana hatrany Gihona, eo amin’ ny lohasahan-driaka, ka hatramin’ ny fidirana amin’ ny vavahadin-kazandrano, ary nataony manodidina an’ i Ofela sady nataony avo dia avo; ary nanendry izay ho komandin’ ny miaramila ho any amin’ ny tanàna mimanda rehetra any Joda izy.
Nehemiah 3:27Ary manarakaraka ireo koa dia nisy namboarin’ ny Tekoïta, teo amin’ ny tandrifin’ ny mandroso eo amin’ ny tilikambo lehibe ka hatramin’ ny mandan’ i Ofela.
Nehemiah 8:1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.
Nehemiah 8:16Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ ny tokotaniny avy sy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin’ ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ i Efraima.
Nehemiah 11:21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.