Bokin'i Nehemia 3:30
Manarakaraka io koa dia nisy namboarin’ i Hanania, zanak’ i Setemia, sy Hanona, fahenin’ ny zanak’ i Zalafa. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, dia ny teo amin’ ny tandrifin’ ny efi-tranony ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 3:4Ary manarakaraka ireo dia namboatra koa Meremota, zanak’ i Oria, zanak’ i Hakoza. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Mesolama, zanak’ i Berekia, zanak’ i Mesezabela. Ary manarakaraka io dia namboatra koa Zadoka, zanak’ i Bana.
Nehemiah 13:13Ary nanendry mpitandrina ny trano firaketana aho, dia Selemia mpisorona sy Zadoka mpanoratra ary Pedaia avy tamin’ ny Levita; ary manarakaraka azy telo lahy dia Hanana, zanak’ i Zakora, zanak’ i Matania; fa natao ho mahatoky ireo; ary ny adidin’ ireo dia ny hizara ho an’ ny rahalahiny.