Bokin'i Nehemia 3:32
Ary ny teo anelanelan’ ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin’ ondry no namboarin’ ny mpanefy volamena sy ny mpandranto.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 3:8Manarakaraka ireo dia namboatra koa Oziela, zanak’ i Haraia, isan’ ny mpanefy volamena. Manarakaraka io dia namboatra koa Hanania, isan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ary nanamafy an’ i Jerosalema izy hatramin’ ny mandà lehibe.
Nehemiah 12:39ary hatreo ambonin’ ny vavahadin’ i Efraima ay teo ambanin’ ny vavahady taloha ary teo ambonin’ ny vavahadin-kazandrano sy ny tilikambo Hananela sy ny tilikambo Hamea, dia hatramin’ ny vavahadin’ ondry; ary nilanona teo amin’ ny vavahadin-trano-maizina izy.