Bokin'i Nehemia 4:14
Koa eo amin’ izay fitoerana andrenesanareo ny feon’ ny anjomara dia mivoria ho any aminay ianareo; fa Andriamanitsika no hiady ho antsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:14Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
Numbers 14:9Fa aza miodina amin’ i Jehovah ianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany; fa hanina ho antsika ireo; ny fiarovany efa niala taminy, ary Jehovah momba antsika; koa aza matahotra azy ianareo.
Deuteronomy 1:29Dia hoy izaho taminareo: Aza manahy, any aza matahotra azy;
Deuteronomy 20:3Mihainoa, ry Isiraely ô, fa efa hanafika ny fahavalonareo ianareo anio; koa aza ketraka ny fonareo ary aza matahotra, na mikorapaka foana, na mangorohoro noho ny tahotra azy;
Judges 3:27Ary rehefa tonga teo izy, dia nitsoka ny anjomara tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, dia nidina nanaraka azy avy tany amin’ ny tany havoana ny Zanak’ Isiraely, ary izy no nitarika azy.
2 Chronicles 20:15ka nanao hoe: Mihainoa ianareo, ry Joda rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary ianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’ i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’ Andriamanitra.