Bokin'i Nehemia 4:6
Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 29:3Ary koa, noho ny fitiavako ny tranon’ Andriamanitro dia omeko ho an’ ny tranon’ Andriamanitra, ho fanampin’ ny zavatra rehetra novoriko hanaovana ny tempoly masìna, izay volamena sy volafotsy ananako,
1 Chronicles 29:17Ary fantatro, ry Andriamanitro ô, fa Hianao no mamantatra ny fo ary mankasitraka izay mahitsy. Ary ny amiko, dia amin’ ny hitsim-poko no nahazotoako nanatitra ireto zavatra rehetra ireto; ary ankehitriny efa hitako tamin’ ny fifaliana ny olonao, izay vory eto, mazoto mitondra fanatitra ho Anao.
Nehemiah 6:15Dia vita tamin’ ny roa amby dimam-poloandro ny manda, dia tamin’ ny andro faha-dimy amby roa-polo tamin’ ny volana Elola.
2 Corinthians 8:16Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
Hebrews 13:21Izy anie hahatanteraka anareo amin’ ny tsara rehetra hanao ny sitrapony ka hiasa ao anatinareo izay ankasitrahana eo imasony amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.