Bokin'i Nehemia 5:7
Ary nihevitra tao am-poko aho, ka dia nananatra mafy ny manan-kaja sy ny mpanapaka ka nanao taminy hoe: Samy mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinareo avy ianareo. Dia nanendry fiangonan-dehibe aho hitsarana azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Dia tezitra indrindra aho, raha nahare ny fitarainany sy izany teny izany.
Cross References
Exodus 22:25Raha maka ny lamban’ ny namanao ho tsatòka ianao, dia hampodinao aminy izany, raha mbola tsy milentika ny masoandro.
Leviticus 25:36Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
Deuteronomy 23:19Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.
2 Chronicles 19:6ka nanao taminy hoe: Tandremo izay hataonareo; fa tsy ho an’ olona no hitsaranareo, fa ho an’ i Jehovah, sady momba anareo ao amin’ ny fitsarana Izy.
Psalms 4:4Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan’ i Jehovah ho Azy ny tsara fanahy; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.
Psalms 15:5Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina,― izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.