Bokin'i Nehemia 5:8
Ary hoy izaho taminy: Izahay araka izay tratry ny nanananay dia efa nanavotra ny Jiosy rahalahinay, izay efa namidy tamin’ ny jentilisa; fa ianareo kosa moa hivarotra ny rahalahinareo va, ka hamidy aminay va izy? Dia sina izy, fa tsy hitany izay havaliny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 25:47Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny;
Deuteronomy 24:7Raha misy olona hita mangalatra ny anankiray amin’ ny Zanak’ Isiraely rahalahiny ka manandevo azy, dia hatao maty izany mpangalatra izany; hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Job 32:15Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
Matthew 25:15koa ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray,― samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.
Romans 3:19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
1 Corinthians 8:11Fa verin’ ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’ i Kristy tamin’ ny fahafatesana?