Bokin'i Nehemia 5:9
Ary hoy koa aho: Tsy tsara izao ataonareo izao; moa tsy tokony handeha amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitsika va ianareo noho ny fanaratsian’ ny jentilisa fahavalontsika?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 20:11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
Leviticus 25:36Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
2 Samuel 12:14Nefa noho ny nampitenenanao ratsy ny fahavalon’ i Jehovah amin’ izany zavatra izany dia ho faty tokoa ny zaza izay haterakao.
Nehemiah 5:15Fa ireo governora fahiny izay teo alohako ireo dia nahavaky tratra ny olona ka nampandoa azy hanina sy divay ary sekely volafotsy efa-polo koa; eny, na dia ny zatovony aza dia nisetrasetra tamin’ ny olona; fa izaho tsy mba nanao izany noho ny fahatahorako an’ Andriamanitra.
Proverbs 17:26Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany.
Proverbs 19:2Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso lalana.