Bokin'i Nehemia 6:1
Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 2:10Raha nahare izany Sanbala Horonita sy Tobia Amonita mpanompo, dia sosotra loatra izy, satria nisy lehilahy tonga hitady izay hahasoa ny Zanak’ Isiraely.
Nehemiah 3:1Dia nitsangana Eliasiba mpisoronabe sy ny mpisorona rahalahiny ka nandrafitra ny vavahadin’ ondry; dia nanamasina azy izy ka nandatsaka ny lela-vavahadiny; hatramin’ ny tilikambo Hamea ka hatramin’ ny tilikambo Hananela no nohamasininy.
Nehemiah 3:6Ary ny vavahady taloha dia namboarin’ i Joiada, zanak’ i Pasea, sy Mesolama, zanak’ i Besodia; izy roa lahy no nandatsaka ny rairainy sy ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny.
Nehemiah 4:6Ary rehefa tonga ny Jiosy izay nonina teo akaikin’ ireo ka nanao taminay im-polo hoe: Na avy aiza na avy aiza ianareo, dia miverena atỳ aminay,
Daniel 9:25Koa aoka ho fantatrao sy ho azonao fa hatramin’ ny hivoahan’ ny didy hanavaozana sy hanamboarana an’ i Jerosalema ka hatramin’ i Mesia Andriana dia ho fito herinandro sy roa amby enim-polo herinandro; hamboarina indray ny lalana sy ny hady, dia amin’ izay andro mampahory.