Bokin'i Nehemia 6:13
Izany no nanambazany azy, mba hampitahotra ahy hanaovako izany ka hanotako, dia hahazoany teny tatsy hanaratsiany ahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Proverbs 22:1Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
Ecclesiastes 7:1Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
Isaiah 51:12Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak’ olombelona mety maty sy ny zanak’ olona hatao tahaka ny ahitra
Jeremiah 1:17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
Jeremiah 20:10Fa reko ny endrikendriky ny maro, misy fampangorohoroana manodidina. Torio, eny, hotorintsika koa izy; Izay rehetra tsara fihavanana amiko dia miandry izay hahalavoako ka manao hoe: Angamba ho voataona Izy, dia horesentsika sy hovaliantsika.
Ezekiel 13:17Koa ianao, ry zanak’ olona, handrino mafy ny zanakavavin’ ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,