Bokin'i Nehemia 7:1
Ary nony vita ny manda, ka voalatsako ny lela-vavahady, sady voatendry ny mpiandry varavarana sy ny mpihira ary ny Levita,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Chronicles 23:24Ireo no zanakalahin’ i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan’ ny fianakaviana tamin’ ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon’ i Jehovah, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra.
1 Chronicles 25:26ny fahasivy ambin’ ny folo an’ i Maloty, izy mbamin’ ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin’ ny folo;
Ezra 3:8Ary tamin’ ny volana faharoa tamin’ ny taona faharoa taorian’ ny nahatongavany tany amin’ ny tranon’ Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak’ i Sealtiela, sy Jesoa, zanak’ i Jozadaka, mbamin’ ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin’ ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian’ ny asa amin’ ny tranon’ i Jehovah.
Nehemiah 6:1Ary rehefa ren’ i Sanbala sy Tobia sy Gasema Arabo mbamin’ ny namany fahavalonay fa efa nanao ny manda aho, ka tsy nisy banga intsony teo (kanefa tamin’ izany andro izany tsy mbola voalatsako ny lela-vavahady),
Nehemiah 10:39Ary hisy mpisorona anankiray, taranak’ i Arona, hiaraka amin’ ny Levita, raha mandray ny fahafolon-karena izy; ary ny ampahafolon’ ny fahafolon-karena dia ho entin’ ny Levita miakatra ho ao an-tranon’ Andriamanitsika, ho ao amin’ ny efi-trano ao an-trano fitehirizan-drakitra.
Nehemiah 12:24Ary ny lohan’ ny Levita dia Hasabia sy Serebia sy Jesoa, zanak’ i Kadmiela, mbamin’ ny rahalahin’ ireo izay nifanandrify taminy, mba hidera sy hisaotra araka ny didin’ i Davida, lehilahin’ Andriamanitra, nifanandrify isan-tokony.