Bokin'i Nehemia 7:2
dia notendreko Hanany rahalahiko sy Hanania, lehiben’ ny tao an-dapa, hitandrina an’ i Jerosalema, fa lehilahy mahatoky izy sady matahotra an’ Andriamanitra mihoatra noho ny maro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 18:21Ary mizaha eo amin’ ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an’ Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy.
2 Samuel 23:3Andriamanitry ny Isiraely manao hoe, eny, ny Vatolampin’ ny Isiraely miteny amiko hoe: Indro ny Mpanapaka ny olona; Marina Izy sady manapaka amin’ ny fahatahorana an’ Andriamanitra;
1 Kings 18:12Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin’ ny Fanahin’ i Jehovah any amin’ izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’ i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an’ i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Nehemiah 2:8sy taratasy ho amin’ i Asafa, mpitandrina ny alan’ i ny mpanjaka mba hanomezany hazo hanaovako ny vavahadin’ ny lapa izay momba ny tempoly sy hanaovako ny mandan’ ny tanàna sy ny trano izay hitoerako. Dia nomen’ ny mpanjaka ahy izany araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamanitro tamiko.
Nehemiah 10:23Pelatia, Hanana, Anaia,
Job 1:1Nisy lehilahy tany amin’ ny tany Oza Joba no anarany; ary marina sy mahitsy izany lehilahy izany sady natahotra an’ Andriamanitra ka nifady ny ratsy.