The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 8 › Bokin'i Nehemia 8:1

Bokin'i Nehemia 8:1

Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And all the people gathered themselves together as one man into the street that was before the water gate; and they spake unto Ezra the scribe to bring the book of the law of Moses, which the LORD had commanded to Israel.

In Context

2Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.

Read all of Bokin'i Nehemia 8

Cross References

Leviticus 9:5Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.

Judges 20:1Dia nivoaka ny Zanak’ Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’ i Jehovah tany Mizpa.

2 Kings 23:2Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.

Ezra 3:1Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin’ ny tanànany avy ny Zanak’ Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy.

Ezra 7:6io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.

Nehemiah 3:26Ary ny Netinima dia nonina tany Ofela hatreo amin’ ny tandrifin’ ny vavahadin-drano atsinanana sy ny mandroso eo amin’ ny tilikambo.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 8:1

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
Bokin'i Nehemia 8Bokin'i Nehemia 8:2 →