The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 8 › Bokin'i Nehemia 8:16

Bokin'i Nehemia 8:16

Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ ny tokotaniny avy sy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin’ ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ i Efraima.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

So the people went forth, and brought them, and made themselves booths, every one upon the roof of his house, and in their courts, and in the courts of the house of God, and in the street of the water gate, and in the street of the gate of Ephraim.

In Context

15ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan’ oliva sy sampan’ oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.

17Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny andron’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka hatramin’ izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.

Read all of Bokin'i Nehemia 8

Cross References

Deuteronomy 22:8Raha manao trano vaovao ianao, dia asio aro-fanina ny tampony, fandrao hisy olona hianjera eny, ka hahatonga heloka ny amin’ ny rà ho ao an-tranonao ianao.

2 Kings 14:13Ary Amazia, mpanjakan’ ny Joda, zanak’ i Joasy, zanak’ i Ahazia, nosamborin’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin’ ny vavahadin’ i Efraima ka hatramin’ ny vavahady an-jorony.

2 Chronicles 33:5Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa amin’ ny tranon’ i Jehovah izy ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra.

Nehemiah 8:1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.

Nehemiah 12:37Ary hatreo amin’ ny vavahadin-doharano dia nizotra izy ka niakatra tamin’ ny ambaratongan’ ny Tanànan’ i Davida, tamin’ ny fiakarana amin’ ny manda eo ambonin’ ny tranon’ i Davida ka hatramin’ ny vavahadin-drano eo atsinanana.

Jeremiah 19:13Ary ny tranon’ i Jerosalema sy ny tranon’ ny mpanjakan’ ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an’ i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an’ izay andriamani-kafa.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 8:16

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 8:15Bokin'i Nehemia 8Bokin'i Nehemia 8:17 →