The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 8 › Bokin'i Nehemia 8:17

Bokin'i Nehemia 8:17

Eny, nanao trano rantsan-kazo avokoa ny fiangonana rehetra izay efa niverina avy tamin’ ny fahababoana, ka nipetraka tao anatiny izy; fa tsy mbola nanao toy izany ny Zanak’ Isiraely hatramin’ ny andron’ i Josoa, zanak’ i Nona, ka hatramin’ izany andro izany. Ary dia nisy fifaliana lehibe indrindra.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And all the congregation of them that were come again out of the captivity made booths, and sat under the booths: for since the days of Jeshua the son of Nun unto that day had not the children of Israel done so. And there was very great gladness.

In Context

16Dia nandeha ny olona ka naka, ary samy nanao trano rantsan-kazo ho azy teo amin’ ny tampon-tranony avy sy teo anatin’ ny tokotaniny avy sy teo anatin’ ny kianjan’ ny tranon’ Andriamanitra sy teo an-kalalahana teo akaikin’ ny vavahadin-drano ary teo an-kalalahana akaikin’ ny vavahadin’ i Efraima.

18Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.

Read all of Bokin'i Nehemia 8

Cross References

Deuteronomy 16:15Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.

1 Chronicles 29:22Ary nihinana sy nisotro tamin’ ny fifaliana be teo anatrehan’ i Jehovah ny olona tamin’ izany andro izany. Ary nampanjakainy fanindroany Solomona, zanak’ i Davida, sady nohosorany ho an’ i Jehovah ho mpanapaka, ary Zadoka ho mpisorona.

2 Chronicles 8:13eny, nanatitra izay fanao isanandro izy araka ny didin’ i Mosesy dia tamin’ ny Sabata sy ny voaloham-bolana ary ny fotoam-pivavahana intelo isan-taona, dia tamin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo.

2 Chronicles 30:23Ary ny fiangonana rehetra niara-nihevitra ny amin’ ny hitandremana hafitoana indray; ka dia mbola nitandrina hafitoana koa tamin’ ny hafaliana izy.

2 Chronicles 35:18Fa tsy nisy Paska notandremana toy izany teo amin’ ny Isiraely na dia hatramin’ ny andron’ i Samoela mpaminany aza; ary ny mpanjakan’ ny Isiraely rehetra tsy nisy nitandrina ny Paska tahaka izay nataon’ i Josia sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Joda rehetra sy ny Isiraely izay vory teo ary ny mponina tany Jerosalema.

John 1:14Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 8:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 8:16Bokin'i Nehemia 8Bokin'i Nehemia 8:18 →