The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 8 › Bokin'i Nehemia 8:2

Bokin'i Nehemia 8:2

Dia nentin’ i Ezra mpisorona ny lalàna tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahafito ho eo anatrehan’ ny fiangonana, na lehilahy na vehivavy, mbamin’ izay rehetra efa mahahaino.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And Ezra the priest brought the law before the congregation both of men and women, and all that could hear with understanding, upon the first day of the seventh month.

In Context

1Ary rehefa tonga ny volana fahafito, dia samy tany an-tanànany avy ny Zanak’ Isiraely. Dia nivory tahaka ny olona iray izy rehetra ho eo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano; ary niteny tamin’ i Ezra mpanora-dalàna izy mba ho entiny ny bokin’ ny lalan’ i Mosesy izay nandidian’ i Jehovah ny Isiraely.

3Dia novakina teo an-kalalahana teo anoloan’ ny vavahadin-drano izy hatramin’ ny vao maraina koa ka ambara-pitataovovonan’ ny andro, dia teo anatrehan’ ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’ izay efa mahahaino; ary ny olona rehetra dia nampandry sofina hihaino ny bokin’ ny lalàna.

Read all of Bokin'i Nehemia 8

Cross References

Leviticus 23:24Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.

Deuteronomy 17:18Ary rehefa mipetraka eo ambonin’ ny sezam-panjakany izy, dia aoka hadikany ho azy amin’ ny boky izao lalàna izao ka hataony araka ilay tehirizin’ ireo Levita mpisorona.

Joshua 8:35Tsy nisy teny tamin’ izay rehetra nandidian’ i Mosesy, izay tsy novakin’ i Josoa teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, mbamin’ ny vehivavy sy ny ankizy madinika ary ny vahiny izay teo aminy.

Nehemiah 8:18Ary namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra isan’ andro isan’ andro izy hatramin’ ny andro voalohany ka hatramin’ ny andro farany. Ary nanao andro firavoravoana hafitoana izy; ary tamin’ ny andro fahavalo dia fara-fivoriana araka ny fanao.

Nehemiah 13:1Tamin’ izany andro izany dia novakiana teo anatrehan’ ny olona ny teny tao amin’ ny bokin’ i Mosesy, ka hita voasoratra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra ao fa ny Amonita sy ny Moabita dia tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra mandrakizay,

Malachi 2:7Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 8:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 8:1Bokin'i Nehemia 8Bokin'i Nehemia 8:3 →