Bokin'i Nehemia 8:7
Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 33:10Jakoba no hampianariny ny fitsipikao, Ary Isiraely ny lalànao; Hametraka ditin-kazo manitra eo anatrehanao’ izy Sy fanatitra dorana eo ambonin’ ny alitaranao.
2 Chronicles 17:7Ary tamin’ ny taona fahatelo nanjakany dia naniraka ny mpanapaka izy, dia Benaila sy Obadia sy Zakaria sy Netanela ary Mikaia, hampianatra tany amin’ ny tanànan’ ny Joda,
2 Chronicles 30:22Ary Hezekia dia nankasitraka ny Levita rehetra, izay nanana fahaizana ho an’ i Jehovah; ary nihinana ny Paska hafitoana izy sady nanatitra fanati-pihavanana koa sy nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany.
Ezra 10:22ary ny avy tamin’ ny taranak’ i Pasora dia Elioenay sy Mahaseia sy Isimaela sy Netanela sy Jozabada ary Elasa.
Nehemiah 3:17Manarakaraka io dia namboatra koa ny Levita, dia Rehoma, zanak’ i Bany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Hasabia, komandin’ ny antsasaky ny fehin’ i Keila, ho an’ ny fehiny.
Nehemiah 3:23Manarakaraka ireo dia namboatra koa Benjamina sy Hasoba teo amin’ ny tandrifin’ ny tranony ihany. Manarakaraka ireo dia namboatra koa Azaria, zanak’ i Mahaseia, zanak’ i Anania, teo anilan’ ny tranony ihany.