Bokin'i Nehemia 8:8
Dia novakiny mazava ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ Andriamanitra, sady nohazavainy tsara ny heviny, ka dia azon’ ny olona tsara ny teny novakina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 23:2Dia niakatra ho ao an-tranon’ i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin’ ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin’ ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin’ ny bokin’ ny fanekena izay hita tao an-tranon’ i Jehovah.
Nehemiah 9:3Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.
Habakkuk 2:2Dia namaly ahy Jehovah ka nanao hoe: Soraty ny fahitana, ka ataovy velona tsara ny soratra eo amin’ ny fàfana, Mba ho azon’ ny mihazakazaka hovakina aza.
Matthew 5:27Efa, renareo fa voalaza hoe: Aza mijangajanga.
Luke 24:32Dia niresaka hoe izy: Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dalana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masìna tamintsika?
Acts 8:30Ary Filipo nihazakazaka nankeo aminy, dia nandre azy mamaky teny tao amin’ Isaia mpaminany, ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao va izay vakinao?