Bokin'i Nehemia 9:11
Ary ny ranomasina dia nosarahinao teo anoloany, ka nandeha namaky teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina izy; ary ireo nanenjika azy dia natsipinao hilentika amin’ ny lalina tahaka ny vato amin’ ny rano manonja.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:21Dia nahinjitr’ i Mosesy teo ambonin’ ny ranomasina ny tànany; ary rivotra mahery avy atsinanana no nampisavan’ i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny, ka nataony tany maina ny ranomasina, ary dia voasaraka ny rano.
Exodus 14:25Ary nanala ny kodian’ ny kalesiny Izy ka nampahasarotra ny nandehanany, dia hoy ny Egyptiana: Aoka handositra ny tavan’ ny Isiraely isika, fa Jehovah no miady amin’ ny Egyptiana ho an’ ireo.
Exodus 14:29Fa ny Zanak’ Isiraely kosa nandeha tamin’ ny tany maina teo afovoan’ ny ranomasina; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Exodus 15:5Ny lalina nanarona azy: Nilentika tany ambany indrindra tahaka ny vato izy.
Psalms 66:6Efa nampody ny ranomasina ho tany maina Izy; nandeha an-tongotra nita ny ony ny olona; tao no nifaliantsika tamin’ Andriamanitra.
Psalms 106:9Dia noteneniny mafy ny Ranomasina Mena, ka tonga maina iny; Ary nitondra azy nita ny rano lalina tahaka ny efitra Izy,