Bokin'i Nehemia 9:12
Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 14:19Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Numbers 9:21Ary indraindray kosa dia nijanona hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny maraina ihany ny rahona, ary raha niakatra izy nony maraina, dia niainga ny Zanak’ Isiraely; koa na andro na alina no niakaran’ ny rahona, dia niainga izy.
Nehemiah 9:19kanefa noho ny haben’ ny famindram-ponao dia tsy mba nahafoy azy tany an-efitra Hianao; ny andri-rahona, izay nitondra azy teny an-dalana, dia tsy niala taminy raha antoandro, na ny andri-afo, izay nampahazava azy nony alina, hahitany izay lalana tokony halehany.
Psalms 105:39Namelatra rahona ho fialokalofana Izy Ary afo ho fanazavana nony alina.
Psalms 143:8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.