Bokin'i Nehemia 9:14
Ary nampahalala azy ny Sabatanao masìna Hianao, ary Mosesy mpanomponao nampilazainao didy sy fomba ary lalàna taminy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 2:3Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.
Exodus 16:29Saino fa Jehovah no nanome anareo ny Sabata, koa izany no anomezany anareo mofo ampy ho indroa andro amin’ ny andro fahenina; samia mitoetra eo amin’ ny fitoerany avy ianareo, ka aoka tsy hisy hiala amin’ ny fitoerany amin’ ny andro fahafito.
Exodus 21:1Ary izao no lalàna izay hataonao eo anatrehany:
Leviticus 19:3Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 4:5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.