Bokin'i Nehemia 9:17
ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Fa niavonavona ireny razanay ireny, dia nanamafy ny hatony ka tsy nihaino ny didinao,
Cross References
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
Numbers 14:3Ary nahoana Jehovah no mitondra antsika ho amin’ ity tany ity ho lavon-tsabatra, ary ny vadintsika sy ny zanatsika madinika ho babo; tsy aleontsika miverina ho any Egypta va?
Numbers 14:11Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandra-pahoviana no hamotsifotsian’ ity firenena ity Ahy? ary mandra-pahoviana no tsy hinoany Ahy noho ny famantarana rehetra izay nataoko teo aminy?
Numbers 14:41Dia hoy Mosesy: Nahoana no mandika ny didin’ i Jehovah ianareo? fa tsy hambinina izany.
1 Samuel 12:22Fa Jehovah tsy hahafoy ny olony noho ny anarany lehibe, satria sitrak’ i Jehovah ny nanaovany anareo ho olony.
1 Kings 8:57Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin’ ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy,