The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 9 › Bokin'i Nehemia 9:2

Bokin'i Nehemia 9:2

Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the seed of Israel separated themselves from all strangers, and stood and confessed their sins, and the iniquities of their fathers.

In Context

1Ary tamin’ ny andro fahefatra amby roa-polo tamin’ izany volana izany dia niangona ny Zanak’ Isiraely, sady nifady hanina no samy nitafy lamba fisaonana sy nihosin-tany.

3Ary nitsangana teo amin’ ny fitoerany avy izy, dia namaky ny teny tao amin’ ny bokin’ ny lalàn’ i Jehovah Andriamaniny tamin’ ny ampahefatry ny andro; ary tamin’ ny ampahefatry ny andro koa dia nitsotra sy niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah Andriamaniny izy.

Read all of Bokin'i Nehemia 9

Cross References

Leviticus 26:40Fa raha hiaiky ny helony sy ny heloky ny razany izy, dia ny fahadisoany izay nandisoany tamiko tamin’ ny nanoherany Ahy,

Ezra 9:2Fa efa naka tamin’ ny zanakavavin’ ireo ho vadiny sy ho vadin’ ny zananilahy izy, ka efa miharoharo amin’ ny olona tompon-tany ny taranaka masìna; eny, ny lehibe sy ny mpanapaka aza no nitari-dalana tamin’ izany fahadisoana izany.

Ezra 9:15Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ô, marina Hianao, fa izahay no hany sisa afaka tahaka ny amin’ izao anio izao; indreto izahay eto anatrehanao amin’ ny fahadisoanay, fa noho izany dia tsy mahajanona eto anatrehanao izahay.

Nehemiah 1:6aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman’ alina ho an’ ny Zanak’ Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan’ ny Zanak’ Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa.

Nehemiah 13:3Ary rehefa ren’ ny olona ny lalàna, dia navahany hiala tamin’ ny Isiraely ny olona hafa firenena rehetra.

Psalms 106:6Efa nanota izahay mbamin’ ny razanay, Efa nanao izay meloka sy ratsy izahay.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 9:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 9:1Bokin'i Nehemia 9Bokin'i Nehemia 9:3 →