Bokin'i Nehemia 9:20
Ary ny Fanahinao tsara dia nomenao azy koa hampianatra azy, ary tsy niaro ny namanao tamin’ ny vavany Hianao sady nanome azy rano, raha nangetaheta izy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 16:15Ary rehefa hitan’ ny Zanak’ Isiraely izany, dia nifanontany hoe izy: Inona itony? satria tsy fantany ireny. Dia hoy Mosesy taminy: Itony no mofo izay nomen’ i Jehovah ho fihinanareo.
Exodus 17:3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?
Numbers 11:17Dia hidina Aho ka hiteny aminao eo; ary Izaho haka amin’ ny Fanahy Izay ao aminao ka hametraka izany ao amin’ ireo, ary hiara-mitondra ity firenena ity aminao ireo, fa tsy ianao irery intsony no hitondra azy.
Joshua 5:12Ary nitsahatra ny mana tamin’ iny andro ampitso iny, dia tamin’ ny nihinanany ny vokatry ny tany, ka tsy nisy mana ho an’ ny Zanak’ Isiraely intsony; fa nihinana ny vokatry ny tany Kanana izy tamin’ izany taona izany.
Psalms 105:41Nanokatra ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano Ka nandriaka tamin’ ny tany maina ho renirano.
Isaiah 41:17Ny ory sy ny malahelo mitady rano, fa tsy mahita, ary ny lelany mainan’ ny hetaheta; Izaho Jehovah no hihaino azy, Izaho, Andriamanitry ny Isiraely, tsy hahafoy azy;