Bokin'i Nehemia 9:22
Ary nanome azy fanjakana sy firenena maro Hianao, ka voazaranao araka ny faritaniny avy ireny; ka dia nahazo ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ ny mpanjakan’ i Hesbona ary ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 21:21Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, hanao hoe:
Deuteronomy 3:1Dia niverina isika ka niakatra tamin’ ny lalana mankany Basana; ary nivoaka hiady amintsika tao Edrehy Oga, mpanjakan’ i Basana, mbamin’ ny vahoakany rehetra.
Deuteronomy 4:47ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,
Joshua 10:11Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Psalms 78:65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon’ ny divay.
Psalms 135:10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,