Bokin'i Nehemia 9:24
Dia niditra ny zanany ka nandova ny tany, ary nampietrenao teo anoloany ny Kananita tompon-tany, dia natolotrao ho eo an-tanany ireo mbamin’ ny mpanjakany sy ny vahoakany hanaovany azy araka ny sitrapony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 14:31Fa ny zanakareo madinika kosa, izay nolazainareo fa ho babo, dia izy no ho entiko miditra, ary izy no hahalala ny tany izay nolavinareo.
Joshua 11:23Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Joshua 12:24ny mpanjakan’ i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan’ ny mpanjaka rehetra.
Joshua 21:43Dia nomen’ i Jehovah ny Isiraely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nandova izany izy ireo ka nonina teo,
1 Chronicles 22:18Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’ i Jehovah sy teo anoloan’ ny olony.
Psalms 44:2Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin’ ny androny, dia tamin’ ny andro fahiny.