Bokin'i Nehemia 9:27
Koa dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny fahavalony izy, ka nampahory azy ireny; nefa tamin’ ny andro fahoriany dia nitaraina taminao izy, ka nihaino azy tany an-danitra Hianao, ary araka ny haben’ ny fiantranao dia nomenao mpamonjy izy, ka namonjy azy tamin’ ny tanan’ ny fahavalony ireo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 4:29Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.
Judges 2:14Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka natolony teo an-tànan’ ny mpamabo izay namabo azy izy, ary namidiny ho eo an-tànan’ ny fahavalony manodidina azy ka tsy nahajanona teo anoloan’ ny fahavalony intsony.
Judges 2:18Ary rehefa nanangana mpitsara ho azy Jehovah, dia nomba izany mpitsara izany Izy ka namonjy ny olona tamin’ ny tanan’ ny fahavalony tamin’ ny andro rehetra niainan’ izany mpitsara izany; fa nalahelo azy Jehovah amin’ ny fitarainany noho ireo nampahory sy nampalahelo azy.
Judges 6:6Ary dia nahantra indrindra ny Isiraely noho ny Midiana, ka nitaraina tamin’ i Jehovah izy.
1 Samuel 12:10Dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa nahafoy an’ i Jehovah ka nanompo ireo Bala sy Astarta, nefa ankehitriny vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalonay izahay, dia hanompo Anao.
2 Kings 14:27Fa tsy mba nolazain’ i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin’ ny lanitra ny anaran’ ny Isiraely; fa ny tànan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, no nentiny namonjy azy.