The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 9 › Bokin'i Nehemia 9:29

Bokin'i Nehemia 9:29

Ary nananatra azy mafy Hianao hampiverenanao azy ho amin’ ny lalànao; kanefa mbola niavonavona ihany izy ka tsy nihaino ny didinao, fa nanota ny fitsipikao (iza mahavelona ny olona mankatò azy) ka nampihemotra ny sorony sy nanamafy ny hatony ary tsy nety nihaino.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And testifiedst against them, that thou mightest bring them again unto thy law: yet they dealt proudly, and hearkened not unto thy commandments, but sinned against thy judgments, (which if a man do, he shall live in them;) and withdrew the shoulder, and hardened their neck, and would not hear.

In Context

28Kanjo rehefa niadana izy, dia nanao ratsy teo anatrehanao indray; dia nafoinao ho eo an-tànan’ ny fahavalony kosa izy, ka nanapaka azy ireny; fa nitaraina taminao indray izy, ary Hianao nihaino azy tany an-danitra ka namonjy izy matetika araka ny haben’ ny fiantranao.

30Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.

Read all of Bokin'i Nehemia 9

Cross References

Exodus 10:3Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin’ i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.

Deuteronomy 4:26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.

Deuteronomy 31:27Fa izaho mahalala ny ditranao sy ny hamafi-hatokao; indro, na dia mbola velona eto aminareo ankehitriny aza aho, dia miodina amin’ i Jehovah ianareo, ka mainka fa rehefa maty aho.

2 Kings 17:13Nefa ny mpaminany rehetra sy ny mpahita rehetra dia nasain’ i Jehovah nananatra ny Isiraely sy ny Joda hoe: Mialà amin’ ny lalanareo ratsy, ary tandremo ny lalàko sy ny didiko, araka ny lalàna rehetra izay nandidiako ny razanareo sy izay nanirahako ny mpaminany mpanompoko ho aminareo.

2 Chronicles 24:19Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.

Nehemiah 9:10dia nanao famantarana sy fahagagana tamin’ i Farao sy ny mpanompony rehetra sy tamin’ ny olona rehetra tany amin’ ny taniny Hianao; fa fantatrao fa nirehareha taminy ireo; dia nanao anarana ho Anao Hianao tahaka ny amin’ izao anio izao.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 9:29

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 9:28Bokin'i Nehemia 9Bokin'i Nehemia 9:30 →