Bokin'i Nehemia 9:30
Nefa nandefitra taona maro taminy Hianao, ary ny Fanahinao, Izay tao amin’ ny mpaminaninao, no nentinao nananatra azy mafy; fa tsy nety nihaino ihany izy, ka dia natolotrao ho eo an-tànan’ ny firenena amin’ ny tany hafa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 18:11Ary ny mpanjakan’ i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron’ i Habora, onin’ i Gozana, ary teny amin’ ny tanànan’ ny Mediana,
2 Chronicles 24:19Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin’ i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy.
Ezra 9:10Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
Nehemiah 9:26Kanefa nandà izy sady niodina taminao ary nanary ny lalànao teo ivohony, dia namono ny mpaminaninao, izay nananatra azy mafy hampiverenana azy ho aminao, ka nanao izay nampahasosotra indrindra izy.
Psalms 86:15Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Isaiah 42:24Iza no nanolotra an’ i Jakoba hosamborina, ary Isiraely ho an’ ny mpamabo? Tsy Jehovah, Izay efa nanotantsika va? Satria tsy nety nandeha tamin’ ny lalany ireo, sady tsy nety nihaino ny lalàny;