Bokin'i Nehemia 9:31
Nefa noho ny haben’ ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
2 Kings 13:23Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
Nehemiah 9:17ary nandà tsy nety nanaraka izany izy sady tsy nahatsiaro ny fahagagana izay nataonao teo aminy; fa nanamafy ny hatony izy ka niodina, dia nanendry mpitarika mba hiverenany ho any amin’ ny fahandevozany; fa Andriamanitry ny famelan-keloka Hianao ka miantra sy mamindra fo, mahari-po sady be famindram-po, ka dia tsy nahafoy azy.
Psalms 103:8Mamindra fo sy miantra Jehovah, Mahari-po sady be famindram-po.
Jeremiah 4:27Fa izao no lazain’ i Jehovah: Ho lao ny tany rehetra, nefa tsy dia holevoniko avokoa izy.
Jeremiah 5:18Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.