Bokin'i Nehemia 9:34
ary ny mpanjakanay sy ny mpanapaka anay sy ny mpisoronay ary ny razanay dia samy tsy nankato ny lalànao, na nihaino ny didinao sy ny teni-vavolombelonao, izay nananaranao azy mafy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
33Hianao no marina tamin’ izay rehetra nanjo anay, fa marina ny nataonao; fa izahay no nanao ratsy;
Cross References
Deuteronomy 31:21Ary raha manjo azy ny zava-dratsy maro sy ny fahoriana, dia ho vavolombelona aminy izao fihirana izao, fa tsy ho afaka am-bavan’ ny taranany izao, fa fantatro ny fisainany izay efa hataony, na dia ankehitriny aza, raha tsy mbola nentiko any amin’ ny tany izay nianianako homena azy izy.
2 Kings 17:15Ary nolaviny ny didiny sy ny fanekeny izay nataony tamin’ ny razany mbamin’ ny teni-vavolombelony izay nananarany azy; ary nandeha nanaraka ny zava-poana izy, ka dia tonga zava-poana koa ary nanaraka ny jentilisa manodidina azy, izay efa nandraran’ i Jehovah azy mba tsy halainy tahaka.
Ezra 9:10Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, ahoana no holazainay amin’ izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay,
Jeremiah 29:19noho ny tsy nihainoany ny teniko, hoy Jehovah, izay nampitondraiko ny mpaminany mpanompoko ho any aminy, teny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka azy, nefa tsy nihaino ianareo, hoy Jehovah.
Ezekiel 5:6Ary nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao ratsy mihoatra noho ny jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.