Bokin'i Nehemia 9:37
ary mahavokatra be izy, kanefa ho an’ ireo mpanjaka izay notendrenao hanapaka anay noho ny fahotanay ihany izany; eny, manapaka ny tenanay sy ny biby fiompinay araka ny sitrapony izy, ka ozoim-pahoriana mafy izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:33Ny vokatry ny taninao sy izay rehetra efa nisasaranao dia hohanin’ ny firenena izay tsy fantatrao; any hanaovan’ ny sasany an-keriny sy hotorotoroiny mandrakariva ianao.
Deuteronomy 28:48Any amin’ ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin’ i Jehovah hiady aminao; dia hanisy zioga vy amin’ ny vozonao ireny mandra-pandringany anao.
Ezra 4:13Koa aoka ho fantatry ny mpanjaka fa raha hatao io tanàna io, ka hatsangana indray ny mandany, dia tsy hety handoa hetra, na haba, na sara, izy; ka dia hahatonga fatiantoka ho an’ ny fanjakana izany any aoriana.
Ezra 7:24Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
John 8:33Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak’ i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon’ olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo?