Bokin'i Nehemia 9:5
Ary hoy ny Levita, dia Jesoa sy Kadmiela sy Bany sy Hasabnia sy Serebia sy Hodia sy Sebania ary Petahia: Mitsangana, ka misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo mandrakizay mandrakizay. Ary isaorana anie ny anaranao malaza, izay voasandratra ambonin’ ny fisaorana sy ny fiderana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:6Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin’ ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
Deuteronomy 28:58Raha tsy tandremanao ny hanaraka ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity, izay voasoratra eto amin’ ity boky ity, hatahoranao izao anarana efa nankalazaina sady mahatahotra izao hoe: JEHOVAH ANDRIAMANITRAO,
1 Kings 8:14Ary ny mpanjaka nitodika ka nitso-drano ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra (nitsangana avokoa ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra),
1 Kings 8:27Andriamanitra va dia honina etỳ an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!
1 Chronicles 29:11Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin’ izy rehetra.
1 Chronicles 29:20Ary hoy Davida tamin’ ny fiangonana rehetra: Masìna ianareo, misaora an’ i Jehovah Andriamanitrareo. Ary ny fiangonana rehetra dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, sady niondrika ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah sy ny mpanjaka.