Bokin'ny Nomery 1:36
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina araka ny fokony sy ny fianakaviany, ary araka ny anarany tsirairay, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia izay rehetra azo nalefa hanafika,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
35izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Manase dia roan-jato amby roa arivo sy telo alina.
37izay voalamina avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina dia efa-jato amby dimy arivo sy telo alina.
Cross References
Genesis 44:20Ary hoy izahay tamin’ itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian’ ny rainy izy.
Genesis 49:27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
2 Chronicles 17:17Ary tamin’ ny Benjamina dia Eliada, lehilahy mahery, ary ny fehiny dia lehilahy roa hetsy mitondra tsipìka sy ampinga;