Bokin'ny Nomery 1:50
fa tendreo izy hitandrina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona sy ny fanaka rehetra ary ny zavatra rehetra izay momba azy; fa izy no hitondra ny tabernakely sy ny zavatra rehetra momba azy sady hanao fanompoam-pivavahana ao; ary manodidina ny tabernakely no hitobiany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
49Ny firenen’ ny Levita ihany no aza alamina, ary aza mba alaina isa miaraka amin’ ny Zanak’ Isiraely;
Cross References
Exodus 32:26dia nijanona teo amin’ ny vavahadin’ ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an’ i Jehovah mankanesa etỳ amiko. Ary ny taranak’ i Levy rehetra niangona teo aminy.
Numbers 1:53Fa ny Levita kosa hitoby manodidina ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, mba tsy hisy fahatezerana hahatratra ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely; ary ny Levita hitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 3:1Ary izao no taranak’ i Arona sy Mosesy tamin’ ny andro nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay.
Numbers 3:23Ny fokon’ ny Gersonita dia hitoby eo ivohon’ ny tabernakely, dia eo andrefany.
Numbers 4:15Ary rehefa vitan’ i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masìna sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak’ i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masìna izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan’ ny taranak’ i Kehata.
Numbers 8:19Ary nomeko ho an’ i Arona sy ny zanany mihitsy ny Levita, avy amin’ ny Zanak’ Isiraely, hanao ny fanompoan’ ny Zanak’ Isiraely ao amin’ ny trano-lay fihaonana sy hanao fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha manakaiky ny fitoerana masìna izy.