Bokin'ny Nomery 1:51
Ary raha hafindra ny tabernakely, dia ny Levita no hangorona azy; ary raha haorina ny tabernakely, dia ny Levita no hanangana azy; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 3:10Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numbers 4:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Numbers 4:19fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masìna indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin’ ny fanompoany avy sy amin’ ny entany avy;
Numbers 10:11Ary tamin’ ny andro faharoa-polo tamin’ ny volana faharoa, tamin’ ny taona faharoa, no niakaran’ ny rahona niala teo ambonin’ ny tabernakelin’ ny Vavolombelona.
Numbers 10:21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
Numbers 17:5ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely mba tsy hisy olon-kafa afa-tsy ny taranak’ i Arona ihany no hahazo manakaiky handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan’ i Jehovah; fandrao ho tahaka an’ i Kora sy ny namany izy, dia araka ny tenin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.