Bokin'ny Nomery 10:12
Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin’ i Jehovah izay nampitondrainy an’ i Mosesy.
Read all of Bokin'ny Nomery 10
Cross References
Exodus 13:20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
Exodus 40:36Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;
Numbers 2:34Ary ny Zanak’ Isiraely dia nanao araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ka nitoby araka ny fanevany avy, ary samy nandroso araka ny fokony avy sy ny fianakaviany avy izy.
Numbers 9:5Dia nitandrina ny Paska tany an-efitr’ i Sinay izy tamin’ ny harivan’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany; araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely.
Numbers 13:3Ary Mosesy dia naniraka azy hiala any an-efitra Parana, araka ny didin’ i Jehovah; ary samy lohan’ ny firenen’ ny Zanak’ Isiraely ireo lehilahy rehetra ireo.
Numbers 33:15Ary nony niala tao Refidima izy, dia nitoby tany an-efitr’ i Sinay.