Bokin'ny Nomery 10:22
Dia niainga ny fanevan’ ny tobin’ ny taranak’ i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak’ i Amihoda, no mpifehy ny antokony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masìna; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny.
23Ary Gamaliela, zanak’ i Pedazora, no mpifehy ny antokon’ ny firenena taranak’ i Manase.
Read all of Bokin'ny Nomery 10
Cross References
Genesis 48:19Fa tsy nety ny rainy, fa nanao hoe: Fantatro ihany, anaka, fantatro ihany, izy koa ho tonga firenena, ary izy koa ho lehibe; kanefa ny zandriny ho lehibe noho izy, ary ny taranany ho firenena maro.
Numbers 2:18Ary ny fanevan’ ny tobin’ i Efraima, araka ny antokony, dia ho eo amin’ ny lafiny andrefana; ary ny lohan’ ny taranak’ i Efraima dia Elisama, zanak’ i Amihoda;
Numbers 7:48Ary tamin’ ny andro fahafito dia Elisama, zanak’ i Amihoda, lohan’ ny taranak’ i Efraima, no nanatitra.
Psalms 80:1Ho an’ ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon’ i Asafa.